Isaiah 40:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin’ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin’ny mizana anankiray monja?
Malagasy Bible 1865
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no nahafatra ny rano teo am-pelatanany sy naharefy ny lanitra tamin’ny zehiny ary nahavory ny vovo-tany ao anatin’ny famarana? Iza no nahalanja ny tendrombohitra tamin’ny fandanjana sy ny havoana tamin’ny mizana?
malagasy
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin'ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin'ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin'ny fandanjana sy ny havoana tamin'ny mizana? [Heb. ampahatelon'ny efaha]