Isaiah 40:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no nakany hevitra ka nampatsilo Azy na nampianatra Azy ny fahaiza-mitsara, sy nanoro Azy ny fahalalana ary nampahafantatra Azy ny fahaiza-manavaka?
Malagasy Bible 1865
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’iza no nifampidinihany ka nahazoany fahalalana? Iza no nanoro Azy ny lalan’ny fitsarana sy nampianatra fahalalana Azy ary nampahafantatra Azy ny lalan’ny fahendrena?
malagasy
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan'ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan'ny fahendrena?