Isaiah 40:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo anatrehan’ny TOMPO, indreo ny firenena fa toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny, na toy ny fasika madinika iray eo ambony mizana; ary indreo ny mponina any amin’ny nosy fa ingaina toy ny vovotany maivan-kely.
Malagasy Bible 1865
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ny siny ary toy ny vovoka madinika amin’ny mizana; indro ny nosy dia tahaka ny vovoka madinika entin’ny rivotra manidina.
malagasy
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin'ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madiniKa amin'ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra. [Na: tahaka ny vovoka madinika paohin'ny rivotra]