Isaiah 40:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpahay taozavatra no mandrendrika sary vongana, ary ny mpanefy volamena no mametaka takelaka volamena aminy sy manao rojo volafotsy voarendrika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ny sampy no tenenina dia mpanao taozavatra no nandrendrika azy, mpanefy firavaka no nandrakotra azy takela-bolamena ary nandrenty azy rojo volafotsy.
Malagasy Bible 1865
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpahay taozavatra no mandrendrika sary vongana, ary ny mpanefy volamena no mametaka takelaka volamena aminy sy manao rojo volafotsy voarendrika.
malagasy
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.