Isaiah 40:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Omeo toky i Jerosalema ka antsoantsoy aminy fa tapitra ny asa an-terivozona sady vita ny sazy nahatra taminy; ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’ny TOMPO izy ho avotry ny fahotana rehetra nataony.»
Malagasy Bible 1865
Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra.
malagasy
Mitoria teny soa mahafaly amin'i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan'i Jehovah izy ho valin'ny fahotana rehetra nataony. [Na: tapitra ny fe-taom-panompoany]