Isaiah 40:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Israely hoe: Miafina tsy hitan’NY TOMPO ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza, ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe: «Miafina amin’i Iaveh ny lalako, ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, nahoana ianao no miteny sy manamafy hoe: «Tsy hitan’ny Tompo akory izay mahazo ahy, lalovan’Andriamanitra fotsiny ny zoko?»
Malagasy Bible 1865
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Israely hoe: Miafina tsy hitan’NY TOMPO ny lalako, ary mihelina tsy hitan’Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
malagasy
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan'i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan'Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?