Isaiah 40:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy fantatrao sady tsy efa renao va fa ny TOMPO dia Andriamanitra mandrakizay? Izy no namorona ny tany manontolo. Tsy mba reraka Izy na sasatra, ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
Malagasy Bible 1865
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay NY TOMPO izay namorona ny faran’ny tany. Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; tsy takatry ny saina ny fahalalany.
malagasy
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran'ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.