Isaiah 40:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hasondrotra ny lohasaha rehetra ary aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka hovana ho lembalemba ny tany be havoana ary ho saha midadasika ny tany mikitoantoana!
Malagasy Bible 1865
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka!
malagasy
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;