Isaiah 40:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!» dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?» «Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy feo manao hoe: «Miantsoa.» fa hoy ny famaliko azy: «Inona no antso hataoko?» Dia niteny indray izy hoe: «Izao no antso hataonao: Mihelina toy ny ahitra ny olona rehetra, toy ny voninkazo eny an-tsaha ny faharetany:
Malagasy Bible 1865
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra.
malagasy
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;