Isaiah 40:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoakan’i Tsiôna nanankinana vaovao mahafaly ô, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan’i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly ô, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe: «Indro Andriamanitrareo.
Malagasy Bible 1865
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry Ziona*, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!
malagasy
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin'ny tanànan'ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo! [Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Ziona][Na: Ry ilay mitondra teny soa mahafaly ho an'i Jerosalema]