Isaiah 41:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangìna ianareo hihaino Ahy, ry nosy! Ary aoka hanavao ny heriny ny firenena; aoka hanatona izy ka hiteny! Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mangina hihaino Ahy ianareo, ry nosy, ary aoka ny firenena hamelombelona ny heriny, ka hanatona sy hiteny! Andeha isika hiaraka ho eo amin’ny fitsarana
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry mponina any amin’ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikîna herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.
Malagasy Bible 1865
Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangìna ianareo hihaino Ahy, ry nosy! Ary aoka hanavao ny heriny ny firenena; aoka hanatona izy ka hiteny! Andeha isika hifanatona eo amin’ny fitsarana.
malagasy
[Ny fahalehibiazan'i Jehovah, izay miseho amin'ny fitondrany ny firenena sy ny fiarovany ny Isiraely, ary ny fanambarany rahateo ny zavatra mbola ho avy] Mangina hihaino ahy ianareo, ry nosy, ary aoka handroso hery ny firenena; Aoka hanatona izy, ka dia hiteny; Andeha isika hifanatona eo amin'ny fitsarana.