Isaiah 41:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, ataoko ragiragy vaovao misy nify maranitra ianao; hanosihosy ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao sady vao no marani-daniroa, hodiavinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao, ary hampanjarianao akofa ny havoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro ianao hataoko toy ny hersa vaovao izay misy nifiny maranitra; ka hosamatsamahinao ny tendrombohitra ary hataonao lasa akofa ny havoana.
Malagasy Bible 1865
Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, ataoko ragiragy vaovao misy nify maranitra ianao; hanosihosy ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.
malagasy
Indro, ataoko kodia vy vaovao misy nify maranitra ianao; Hively ny tendrombohitra ianao ka hanorotoro azy ho vovoka ary hanao ny havoana ho tahaka ny akofa.