Isaiah 41:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hikororoka azy ianao ka hopaohin’ny rivotra izy, ary hanely azy ny tafio-drivotra. Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’NY TOMPO, ary ny Iray Masin’ny Israely no ho reharehanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hokororohinao hoentin’ny rivotra izy sy haelin’ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Malagasy Bible 1865
Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hikororoka azy ianao ka hopaohin’ny rivotra izy, ary hanely azy ny tafio-drivotra. Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’NY TOMPO, ary ny Iray Masin’ny Israely no ho reharehanao.
malagasy
Hikororoka azy ianao, ka hopaohin'ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin'i Jehovah, ary ny Iray Masin'ny Isiraely no ho reharehanao.