Isaiah 41:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan’ny hetaheta ny lelany, dia Izaho Iaveh no hihaino azy, Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitady rano ny mahantra sy ny malahelo nefa tsy mahita mihitsy, ka mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO kosa hihaino azy; Izaho Andriamanitr’i Israely tsy mba handao azy.
Malagasy Bible 1865
Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitady rano ny ory sy ny mahantra nefa tsy mahita, mainan’ny hetaheta ny lelany. Izaho TOMPO no hamaly azy, Izaho, Andriamanitry ny Israely, tsy hahafoy azy;
malagasy
Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan'ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;