Isaiah 41:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Iza no nampiakatra avy any atsinanana an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany? Iza no nanolotra azy an’ireo firenena, sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy; ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon’ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin’ny zana-tsipîkany toy ny akofa entin’ny rivotra.
Malagasy Bible 1865
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra?
malagasy
Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? [Na: nantsoin'ny fahamarinana hanaraka azy]