Isaiah 41:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanaitra olona iray avy tany avaratra Aho ka tonga izy. Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hiantsoany ny anarako; hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy fotaka izy, tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nampitranga azy avy any avaratra Aho, ka tonga izy, avy any atsinanana izy miantso ny Anarako; hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka; sy tahaka ny fanosin’ny mpanao vilany ny tanimanga.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy any avaratra no napoitrako ity lehilahy anankiray, ka dia tonga tokoa izy; avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hanononana ny anarany. Dia hanosihosy ny mpitondra toy ny fanosy fotaka izy, na toy ny fanaon’ny mpanefy mihosihosy tanimanga.
Malagasy Bible 1865
Nanaitra ny anankiray avy tany avaratra Aho, ka tonga izy. Dia ny anankiray avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro, izay hiantso ny anarako, ary hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy feta izy, ary tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanaitra olona iray avy tany avaratra Aho ka tonga izy. Avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hiantsoany ny anarako; hanosihosy ny mpanapaka tahaka ny fanosihosy fotaka izy, tahaka ny mpanefy vilany mihosy tanimanga.
malagasy