Isaiah 41:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy na iza na iza; eny, tsy nisy mpanolotsaina tamin’izy ireo ka tsy misy afaka hamaly Ahy raha manontany azy Aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mijery Aho, ka tsy misy olona; tsy misy mpanolo-tsaina amin’izy ireo, izay azoko nanontaniana sy hamaly Ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nijery foana Aho fa tsy nahita olona: tamin’ireo andriamani-tsiizy ireo dia tsy misy mpanolotsaina na iray aza; tsy misy azoko nanontaniana mba hanome valin-teny Ahy.
Malagasy Bible 1865
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy na iza na iza; eny, tsy nisy mpanolotsaina tamin’izy ireo ka tsy misy afaka hamaly Ahy raha manontany azy Aho!
malagasy
Dia nijery Aho, kanjo tsy nisy olona, eny, nojereko ireny kanjo tsy nisy mpanolo-tsaina hamaly Ahy, raha manontany azy Aho.Indro, zava-poana avokoa izy rehetra; Tsinontsinona ny asany; Rivotra sy zava-poana ny sampiny anidina.