Isaiah 41:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanefy mankahery ny mpanao anidina; ny mpandama amin’ny tantanana mankahery ny mively eo amin’ny riandriana; hoy izy, miantso ny faninginana: «Tsara ity»; dia homboany amin’ny fantsika ilay sampy tsy hihozongozona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanefy vy mampahery ny mpanefy firavaka; ary ny mpandama amin’ny tantanana kosa mampirisika ny mpively amin’ny riandriana sady loa-bolana ny amin’ny solohoto hoe: «Tsara ity!» Dia homboany amin’ny fantsika ny sampy mba tsy hihozongozona.
Malagasy Bible 1865
Koa ny mpandrafitra dia nampahery ny mpanefy volamena, ary izay nandama tamin'ny tantanana nampahery izay nively teo amin'ny riandriana, ka hoy izy, miantso ny solohoto: Tsara ity, dia nohomboany mafy tamin'ny hombo izy mba tsy hihozongozona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ny mpahay taozavatra dia mampahery ny mpanefy volamena, ary izay mandama tamin’ny maritoa mampahery izay mively eo amin’ny riandriana, Ka hoy izy, miantso ny faninginana: Tsara ity! Dia homboany mafy tamin’ny fantsika ilay sampy mba tsy hihozongozona.
malagasy