Isaiah 41:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao izay notantanako avy any am-paran’ny tany, sy nantsoiko avy any amin’ireo tany lavitra ireo: ianao izay nilazako hoe: «Mpanompoko ianao, efa nofidiko, ka tsy mba nariako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ianao izay nalaiko avy tany am-paran’ny tany sady nantsoiko avy amin’ny faritra lavitra indrindra, ianao no itenenako hoe: «Mpanompoko ianao; Izaho no nifidy anao ka tsy manary anao.»
Malagasy Bible 1865
Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao izay efa notantanako avy tany amin’ny faran’ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, efa nofidiko ka tsy mba hariako!
malagasy
Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako: