Isaiah 42:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita! Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana!
Malagasy Bible 1865
Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ny tany efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, toa izany koa ny vohitra izay onenan’i Kedara! Aoka hihoby ny mponina any Sela! Aoka hanao feo avo any an-tampon’ny tendrombohitra izy.
malagasy
Aoka ny efitra sy ireo tanàna eny aminy hanandratra ny feony, dia ny vohitra izay onenan'i Kedara; Aoka hihoby ny mponina any Sela; Ary aoka hanao feo avo any an-tampon'ny tendrombohitra izy.[Na: any amin'ny harambato]