Isaiah 42:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka; eny, miemponempona tsy avy miaina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ela nangina Aho; nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo Aho; mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka, misentosento sy mihanahana Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa hatry ny ela Aho no nangina, ka tsy nanao na inona na inona, hoy ny TOMPO. Fa izao kosa Aho mitaraina toy ny vehivavy miteraka izay sempotsempotra sady tsy avy miaina.
Malagasy Bible 1865
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka; eny, miemponempona tsy avy miaina.
malagasy
Efa tsy niteny Aho hatrizay hatrizay, nangina ihany Aho ka nanindry fo; Fa izao Aho dia mitaraina tahaka ny vehivavy raha miteraka, eny, miehakehaka tsy avy miaina.