Isaiah 42:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny jamba hampandehaniko amin’ny lalana tsy mbola fantany; sakeli-dalana tsy mbola hainy no hitarihako azy ireo. Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka. Hotanterahiko ireo fikasàko ireo fa tsy hisy havelako velively.
Malagasy Bible 1865
Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.
malagasy