Isaiah 42:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahak’ilay nahita fiadanana, ary jamba tahaka ny mpanompon’NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Eny, iza no jamba tahaka ny mpitondrateniko, ary marenina tahaka ny mpanompoko?
Malagasy Bible 1865
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahak’ilay nahita fiadanana, ary jamba tahaka ny mpanompon’NY TOMPO?
malagasy
Iza no jamba, afa-tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizan'i Jehovah, ary jamba tahaka ny mpanompony?