Isaiah 42:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa ity dia firenena voababo sy voaroba! Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voafina ao an-tranomaizina; voababo izy nefa tsy misy mamonjy! Voasambotra izy nefa tsy misy miteny hoe: Ampodio!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka indro ity vahoaka fa voaroba sy voasambotra: naiditra am-ponja avokoa izy rehetra ary nahiboka an-tranomaizina. Voaroba nefa tsy nisy namonjy, voasambotra nefa tsy nisy nanao hoe: «Avereno!»
Malagasy Bible 1865
Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa ity dia firenena voababo sy voaroba! Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voafina ao an-tranomaizina; voababo izy nefa tsy misy mamonjy! Voasambotra izy nefa tsy misy miteny hoe: Ampodio!
malagasy