Isaiah 42:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Israely ho an’ny mpamabo? Tsy NY TOMPO, izay nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalany ireo sady tsy nety nihaino ny lalànany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina, sy i Israely hobaboina? Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba tamin’ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin’ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin’ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalànany.
Malagasy Bible 1865
Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no nanolotra an’i Jakoba hosamborina, ary Israely ho an’ny mpamabo? Tsy NY TOMPO, izay nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ny lalany ireo sady tsy nety nihaino ny lalànany.
malagasy
Iza no nanolotra an'i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an'ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin'ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony