Isaiah 42:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia narotsany tamin’Israely ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady. Ary nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; ary nandoro azy nefa tsy noheverin’ny fony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nazeran’ny TOMPO tamin’ny vahoaka Israely ny fahatezerany mirehitra sy ny ady mangotraka. Nandoro ny faritra manodidina an’i Israely izany, saingy tsy fantany velively; nandoro tao anatiny mihitsy aza izany, nefa tsy nahoany akory.
Malagasy Bible 1865
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia narotsany tamin’Israely ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan’ny ady. Ary nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; ary nandoro azy nefa tsy noheverin’ny fony.
malagasy
Ka dia nalatsany taminy ny firehitry ny fahatezerany sy ny halozan'ny ady; Dia nampirehitra azy manodidina izany nefa tsy fantany; Ary nandoro azy, nefa tsy noheverin'ny fony