Isaiah 42:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy hidadasika, Izay namelatra ny tany mbamin’ny zava-maniry vokariny, Izay manome fofonaina ho an’ny olona eo aminy sy fanahy ho an’ny mponina miriaria ao; eny, izao no tenin’ny TOMPO Andriamanitra amin’ilay mpanompo voafidiny:
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, Izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, Izay manome fofonaina ny olona eo aminy sy fanahy ho an'izay mandeha eo aminy:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
malagasy