Isaiah 42:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»
Malagasy Bible 1865
Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana.
malagasy
Hampahiratra ny mason'ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin'ny maizina hiala ao an-trano famatorana.