Isaiah 42:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.
Malagasy Bible 1865
Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.
malagasy
Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.