Isaiah 43:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo, dia ilay Masin’i Israely: «Noho ny fitiavako anareo dia haniraka olona hankany Babilôna Aho, mba hamaha ny hidy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin 'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin’ny Israely: Noho ny aminareo no nanirahako olona hiady amin’i Babilona, ary harendriko ireo mpandositra rehetra ireo, dia ireo Kaldeana izay mirebika any amin’ny sambony.
malagasy
[Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, sy ny hampodiany azy avy amin'ny fahababoana, ary ny hampidinany ny Fanahiny] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anareo, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Noho ny aminareo no nanirahako tany Babylona, ary hampidiniko izy rehetra mbamin'ny Kaldeana ho mpandositra ho any amin'ny sambo izay efa nifaliany.[Na: dia]