Isaiah 43:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ilay nampamoaka ny kalesy sy ny soavaly ary ny miaramila sy ny andian-tafika mahery, dia indray lavo ireo ka tsy tafarina intsony, sempotra ka maty toy ny lahin-jiro milofika; eny, izao no lazain’ny TOMPO ankehitriny:
Malagasy Bible 1865
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay mamoaka ny kalesy fitondra miady sy ny soavaly, ny tafika sy ny lehilahy mahery. Miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony. Mitsilopilopy izy ka maty toy ny lahin-jiro lany:
malagasy
Izay mamoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny miaramila sy ny lehilahy miara-mandry avokoa izy ka tsy hiarina intsony, mitsilopilopy izy, ka dia maty toy ny jiro: