Isaiah 43:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.
Malagasy Bible 1865
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, efa hanao zava-baovao Aho, koa efa miposaka izany ankehitriny; tsy mahalala izany va ianareo? Eny, any an-tany efitra no hanaovako lalana ary any amin’ny tany ngazana no hasiako ony.
malagasy
Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, koa ankehitriny dia efa miposaka izany tsy hahalala izany va ianareo? eny, any an-efitra no hanaovako lalana ary any amin'ny tany sao no hasiako ony;