Isaiah 43:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia mbamin’ny amboahaolo sy ny vorombe, satria manisy rano any an-taniefitra Aho sy nampandriaka ony an-tany karakaina mba hampisotroako ny vahoaka nofidiko,
Malagasy Bible 1865
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibidia sy ny amboadia ary ny aotirisy, satria manisy rano any an-tany efitra sy ony any amin’ny tany ngazana Aho mba hampisotroina ny oloko, dia ilay voafidiko.
malagasy
Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin'ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko. [Na: jakala]