Isaiah 43:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nitondranao ny zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo Aho. Tsy nataonao ho fanomezam-boninahitra Ahy ny fanatitrao; tsy nataoko raharaham-panompoanao ny fanatitra, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo manitra Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba nateranao ny ondrin’ny sorona dorana Aho, na nomenao voninahitra tamin’ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin’ny fanatitra Aho na nanasatra anao tamin’ny emboka manitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho Ahy no nitondranao zanak’ondry hatao sorona dorana manontolo, ary tsy ho fanomezam-boninahitra Ahy ny soronao. Tsy nampanompo anao tamin’ny fitakiana fanatitra Aho na nanasatra anao tamin’ny fitakiana vovo-javamanitra.
Malagasy Bible 1865
Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nitondranao ny zanak’ondry ho fanatitra dorana manontolo Aho. Tsy nataonao ho fanomezam-boninahitra Ahy ny fanatitrao; tsy nataoko raharaham-panompoanao ny fanatitra, na nanasatra anao tamin’ny ditin-kazo manitra Aho.
malagasy
Tsy nitondranao ny zanak'ondry fanatitra doranao Aho, na nomenao voninahitra tamin'ny fanatitrao. Tsy nampahavesatra anao tamin'ny fanatitra Aho, na nanasatra anao tamin'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. nampanompo]