Isaiah 43:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ny jaboran’ny fanatitrao; fa nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao kosa ianao sady nanasatra Ahy tamin’ny helokao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao; na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao; fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao; nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy mba hividianana veromanitra; ary tsy Izaho no novokisanao tamin’ny jaboran’ny soronao. Fa ianao no nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.
Malagasy Bible 1865
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin’ny jaboran’ny fanatitrao; fa nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao kosa ianao sady nanasatra Ahy tamin’ny helokao.
malagasy
Tsy nandoa vola namidy veromanitra ho Ahy ianao, na nahavoky Ahy tamin'ny saboran'ny fanatitrao; Fa nampahavesatra Ahy tamin'ny fahotanao kosa ianao sy nanasatra Ahy tamin'ny helokao. [Heb. nampanompo]