Isaiah 43:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina, nanolorako an’i Jakôba ho anatema sy i Israely ho fandatsa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa dia nataoko afa-baràka ireo mpiandraikitra ny Toeramasina, natolotro haringana ny firenen’i Jakôba ary navelako holatsaina ny vahoaka Israely.
Malagasy Bible 1865
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no nandotoako ny mpanapaka ny fitoerana masina sy nanolorako an’i Jakoba ho zavatra voaozona ary Israely ho latsa.
malagasy
Koa izany no nanaovako ny mpanapaka masina ho tsy masina, sy nanolorako an'i Jakoba ho fandringana ary Isiraely ho latsa. [Heb. herema]