Isaiah 43:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»
Malagasy Bible 1865
Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary aoka hivory ny mponina! Iza tamin’izy ireo no nanambara izany? Iza tamin’izy ireo no nanambara tamintsika izay niseho taloha? Aoka hoentiny hanamarina azy ny vavolombelony! Ary aoka hohenoina ireo mba hiaiky hoe: Marina izany!
malagasy
Aoka hiangona ny firenena rehetra, Ary aoka hivory ny olombelona; Iza aminareo no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; Aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; Ary aoka hihaino ireo ka hiaiky hoe: Marina izany. [Na: Miangona][Na: mivory]