Isaiah 44:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanefy vy dia mandoro ny fiasany tahaka ny famaky ao anaty vainafo ary manamboatra azy amin’ny maritoa; miasa azy amin’ny sandriny matanjaka izy; nefa noana izy ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanefy vy miasa amin’ny fandraka, ataony amin’ny arina mivaivay ny taozavatra, amboariny amin’ny tantanana, foromporoniny amin’ny sandry matanjaka izy. Kanefa noana izy, ka indro tsy manan-kery; tsy misotro rano, ka indro reraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpanefy manapaka takela-by, dia mandefa azy ao anaty afo sy mamolavola azy amin’ny tantanana ka miasa amin’ny sandriny mahery; avy eo dia noana sy ketraka izy, tsy misotro rano ka reraka.
Malagasy Bible 1865
Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanefy vy dia mandoro ny fiasany tahaka ny famaky ao anaty vainafo ary manamboatra azy amin’ny maritoa; miasa azy amin’ny sandriny matanjaka izy; nefa noana izy ka ketraka ny heriny; tsy misotro rano izy ka reraka.
malagasy
Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.[Na: manasa]