Isaiah 44:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpandrafitra dia manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ny fanoratana; manamboatra azy amin’ny vankona izy, ary manamarika azy amin’ny fanoritam-paribolana; mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona izy, tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona, mba hampitoerina ao an-trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpanao taozavatra amin’ny hazo manenjana ny kofehy, manoritra ny endri-javatra amin’ny pensily, manamboatra azy amin’ny fandraka, mandrefy azy amin’ny kômpà. Manao azy hanana endrik’olona, ilay endrika tsara, izay endriky ny olombelona, mba hamponenany azy ao an-trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpandrafitra kosa mandrefy hazo amin’ny tady sy manamarika azy amin’ny tsaoka, manamboatra azy amin’ny vankona, manamarika azy amin’ny kômpà ary manome azy endrik’olona, dia endrik’olona tsara tarehy izay hapetraka ao amin’ny tempoly anankiray.
Malagasy Bible 1865
Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpandrafitra dia manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ny fanoratana; manamboatra azy amin’ny vankona izy, ary manamarika azy amin’ny fanoritam-paribolana; mahavita azy ho tahaka ny endrik’olona izy, tahaka ny hatsaran-tarehin’ny olona, mba hampitoerina ao an-trano.
malagasy