Isaiah 44:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireny no ampiasain’ny olona ho kitay ka angalany hamindroana na handrahoan-tsakafo. Ireny ihany koa no anaovany andriamanitra hiankohofany sy sarivongan-tsampy hivavahany.
Malagasy Bible 1865
Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fanaovan’ny olona kitay izany ary analany hamindroany. Ampirehetiny izany mba hanendasany mofo sady anaovany andriamanitra ka ivavahany; eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany ka iankohofany.
malagasy