Isaiah 44:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny antsasany dorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: «Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izany ny antsasaky ny vatan-kazo dia dorana amin’ny afo ka itonoany hena; manatsatsika hena ny olona ka voky, na mamindro koa izy ka manao hoe: «Andray! Mafana aho izany! Nahita afo aho!»
Malagasy Bible 1865
Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny antsasany amin’ilay hazo dia dorany amin’ny afo ka amin’io antsasany io no ahandroany ny hena hohaniny; manatsatsika hena izy ka voky; eny, mamindro izy ka miteny hoe: Aha! Mafana aho izany, nahita afo aho!
malagasy
Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! [Heb. ihinanany]