Isaiah 44:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: «Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa anamboarany andriamanitra ho sampiny. Dia izany no iondrehany sy iankohofany sady ivavahany ataony hoe: «Vonjeo aho fa ianao no andriamanitro.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hazo sisa kosa dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, dia miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao!
malagasy
Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.