Isaiah 44:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mieritreritra izy na mba manana fahalalana sy saina akory hitenenana hoe: Nodorako tamin’ny afo ny antsasany; eny, nanendy mofo tamin’ny vainafony aho: nanatsatsika hena aho dia nihinana; koa ny sisa dia hataoko fahavetavetana! Hiankohoka eo anatrehan’ny vatan-kazo aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sasan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy mieritreritra ao am-pony na mba mahalala handini-tena hoe: «Ny antsasak’ity vatan-kazo ity dia nodorako tamin’ny afo; ka ny vainafony no nanendasako mofo sy nanatsatsihako hena hohaniko. Ny antsasaky ny vatan-kazo kosa dia hanaovako sampy mamoafady, ka tapa-kazo no indro hiankohofako.»
Malagasy Bible 1865
Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mieritreritra izy na mba manana fahalalana sy saina akory hitenenana hoe: Nodorako tamin’ny afo ny antsasany; eny, nanendy mofo tamin’ny vainafony aho: nanatsatsika hena aho dia nihinana; koa ny sisa dia hataoko fahavetavetana! Hiankohoka eo anatrehan’ny vatan-kazo aho!
malagasy
Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo? [Na: vokatry ny hazo]