Isaiah 44:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihobia, ry lanitra, fa NY TOMPO no nanao izany! Manaova feo fifaliana ianareo, ry toerana lalina any ambanin’ny tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Ary ianao ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao! Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba sady mampiseho ny voninahiny eo amin’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan’i Iaveh izany. Mirohondrohòna, ry fanambanin’ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbamin’ireo ala sy hazo rehetra eo aminareo: fa I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba, sy naneho ny voninahiny eo amin’i Israely!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra, ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany. Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao, fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.
Malagasy Bible 1865
Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihobia, ry lanitra, fa NY TOMPO no nanao izany! Manaova feo fifaliana ianareo, ry toerana lalina any ambanin’ny tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Ary ianao ry ala mbamin’izay hazo rehetra ao! Fa NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba sady mampiseho ny voninahiny eo amin’Israely.
malagasy