Isaiah 44:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO, izay nanavotra anao sady namolavola anao hatrany am-bohoka: Izaho no TOMPO izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
malagasy
[Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;