Isaiah 44:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hataoko tsy misy vokany ny famantarana vitan’ny mpimasy ary hataoko mirediredy ny mpisikidy; hataoko mianòtra ny olon-kendry ka hody fahadalana ny fahalalàny.
Malagasy Bible 1865
Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manafoana ny fambara lazain’ny mpibedibedy Aho ary mahavery saina ny mpisikidy; mampihemotra ny olon-kendry Aho ka mampody ny fahalalany ho fahadalana.
malagasy
Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,