Isaiah 44:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa homeko lanjany ny tenin’ireo mpanompoko ary hataoko tanteraka ny fikasan’ireo irako. Ka hoy Aho amin’i Jerosalema: ‹Aoka honenana indray ianao.› ary amin’ny tanànan’i Joda hoe: ‹Aoka haorina indray ianareo.› Eny, hatsangako izay efa rava.
Malagasy Bible 1865
Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mahatò ny tenin’ny mpanompoko Aho ary manatanteraka ny saina atolotry ny irako. Miteny amin’i Jerosalema Aho hoe: Honenana ianao, ary amin’ireo tanànan’i Joda hoe: Hatsangana ianareo ka hamboariko izay rava.
malagasy
Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [Heb. mpanompony][Heb. irany]