Isaiah 44:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary milaza an’i Kirosy Aho hoe: Izy no mpiandry ondriko! Koa izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary hiteny amin’i Jerosalema izy hoe: Hatsangana ianao! Ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’i Sirosy dia milaza Aho manao hoe: «Mpiandry ondriko izy; hanatanteraka ny sitrapoko manontolo izy, hilaza amin’i Jerosalema hoe: ‹Haorina indray anie ianao!› Sy amin’ny tempoly hoe: ‹Hatsangana indray anie ianao!› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy Aho ny amin’i Kirôsa: ‹Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly.› »
Malagasy Bible 1865
Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary milaza an’i Kirosy Aho hoe: Izy no mpiandry ondriko! Koa izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; ary hiteny amin’i Jerosalema izy hoe: Hatsangana ianao! Ary amin’ny tempoly hoe: Haorina indray ianao.
malagasy