Isaiah 44:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy! Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola! Ary aoka hambarany koa izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza no tahaka Ahy? - aoka hiteny izy; aoka hilaza izy sy hampiseho izany! - hatrizay nanorenako ny karazan’olombelon’ny andro fahagola. Aoka hambarany àry ny zavatra ho avy sy izay tsy maintsy ho tonga!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy mihambo ho mitovy amiko, aoka izy hiteny sy handahatra momba izany! Hohazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola, no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga; ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy.
Malagasy Bible 1865
Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary iza moa no tahaka Ahy? Aoka izy hiteny mafy! Aoka izy hanambara sy handahatra Amiko izay niseho hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola! Ary aoka hambarany koa izay zavatra ho avy sy mbola ho tonga.
malagasy