Isaiah 44:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza matahotra na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko. Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy mahafantatra Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza mangovitra na matahotra ianareo, ry vahoakako. Tsy Izaho ve no nampandre anareo ka nanambara izany taminareo hatry ny ela? Ianareo tokoa no vavolombeloko fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Eny, tsy misy vatolampy hafa, tsy misy fantatro na iray aza.»
Malagasy Bible 1865
Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza matahotra na mangovitra ianareo; tsy efa nampandre anareo hatramin’ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko. Moa misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy mahafantatra Aho.
malagasy